Nisokatra nanomboka omaly hatramin’ny 23 septambra izao ny fivoriana andiany faha-9 mikasika ny fifanarahana ara-barotra amin’ny Vondrona Eoropeanina sy ireo firenena ao anatin’ny ESA (Eastern and Southern Africa)
na aty Afrika atsinanana sy atsimo, izay miisa 5 ahitana an’I Madagasikara, Maurice, Seychelles, Comores, ary Zimbabwe. Entina hanatsarana ny Fifanaraham-piaraha-miasa ara-toekarena eo amin’ireo mpandray anjara na ilay antsoina hoe: EPA (Economic Partenership Agreement) ity fihaonana ity. Maneho fahavonana tanteraka hiady ny tombontsoan’ny firenena I Mardagasikara mandritra ny fivoriana izay tsy hifarana raha tsy amin’ny Zoma 23 septambra 2022 ho avy izao. Tanjona ny fanatsarana ny fahaiza-manao sy famaliana ny filàn’ny tsena Eoropeanina, ny fampiroboroboana ny fanondranana mankany Eoropa, ny fanamorana ireo dingana takiana eo amin’ny fanondranana sy ny fahazoana misitraka ny vokatra eoropeanina eo amin’ny tsena anatiny. Lohahevitra miisa 3 ao anatin’ireo 13 no hodinihana mandritra ity fihaonana eto Madagasikara ity, dia ny fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra, ny momba ny fambolena ary ny fepetra ara-pahasalamana sy ny fahasalaman’ny zava-boahary.Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra Atoa Edgard Razafindravahy izay naneho fa zava-dehibe amin’ny lafiny toekarena izany. Ohatra iray noraisiny ny fanondranana vokatra lavanila mankany Eoropa mba hanehoana ny maha-zava-dehibe ny fifanaraham-piaraha-miasa toy izao, ka nilazan’ity Minisitra ity fa, «isan’ny seha-pihariana mitondra fampandrosoana ho an’ny Madagasikara ny lavanila ka ilaina ny manamafy ny fifanarahana ara-barotra momba io hitazonana ny laharana voalohany eo amin’ny fanondranana ; Ary mba tsy ho latsaky ny 250 dolara ny kilao any amin’ny firenena Eoropeanina”. Antenaina, hoy izy, fa hisy fiantraikany mahafa-po eo amin’ny sehatry ny fifanakalozana ara-barotra sy ara-toekarena ity fivoriana andiany faha-9 eto Madagasikara ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.