Lehilahy miisa roa 18 sy 20 taona ny no nosamborin’ny polisy omaly 16 Febroary rehefa avy nidoroka zava-mahadomelina.
Tra-tehaka teo am-pidorohana mihitsy izy roalahy ireto. Andro atoandrobe nanahary tokony 09 ora sy 30mn no nanaovany izany teny Volosarika Ambanidia. Mbola hita teny amin’izy ireo ihany koa ny fitaovana hafa fampiasa rehefa midoroka izany zava-mahadomelina izany. Mitohy ny hetsika hataon’ny mpitandro ny filaminana eny an-toerana hahafahana mamongotra ireo tanora mpidoroka zava-mahadomelina tahaka izao.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy tratra teny Volosarika Ambanidia
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.