Actualités

Fidirana ho mpiasan’ny ladoany Nofoanana ny fanadinana


  • Alarobia 03 Aogositra 2016

Nofoanana ary haverina amin’ny 22 aogositra 2016 ny fanadinana dingana voalohany hifantenana ireo mpiadina hiditra ho mpiasan’ny ladoany izay natao ny zoma 29 jolay lasa teo.

Niara-nandray izao fanapahan-kevitra izao ireo sampandraharaham-panjakana voakasika toy ny ministeran’ny vola sy ny tetibola, ministeran’ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy, ny Birao mahaleo tena misahana ny ady amin’ny kolikoly … Anton’ity fanapahan-kevitra ity ny savorovoro sy ny tsy fahatomombanana toy ny resaka nandeha tamin’ny fiparitahan’ny laza adina nialoha ny fotoana tany Fianarantsoa, ny fahatarana adiny efatra sy ny fanombohan’ny fanadinana 30 minitra nialoha ny fotoana izay samy tranga nisy tamin’ny efitranom-panadinana samy hafa teto  Antananarivo. Saika manerana ny nosy no nahitana olana. Vaovao lehibe ho an’ireo mpiadina maherin’ny 30.000 ity fanafoanana ity ary irariana ny hisian’ny mangarahara sy ny fahamatorana eo amin’ny lafiny firakarana ka mba ho ara-drariny ny fahafahan’ireo 280 ho raisina amin’ity fifaninanana ity.

                                                                                                       Toky R.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT