Actualités

Fidirana ho mpiasam-panjakana Ailika ny mpampianatra FRAM


  • Alarobia 20 Jolay 2011

Handray mpiasam-panjakana miisa 3910 ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena amin’ity taona ity ka amin’ny alalan’ny fifaninanana no ifantenana ireo mendrika indrindra.

 Mitaraina ireo mpampianatra FRAM miasa eny anivon’ny EPP mivondrona ao anatin’ny ANEFA na Association Nationale des Enseignants FRAM satria mahatsiaro fa ailika tsy ho afaka handray anjara amin’izany akory izy ireo noho ny masontsivana izay efa manavaka azy ireo sahady. Izay manana ny mari-pahaizana bakalorea sokajy ankapobeny ka latsaky ny 43 taona moa no afaka mandray anjara amin’ilay fifaninanana. Ankoatra izay, mbola misy koa ny fitsapana fahaizana amin’ny taranja matematika, malagasy ary frantsay araka ny fandaharam-pianaran’ny taona famaranana. Nambaran-dRandrianjafy Elidio, filoha lefitry ny ANEFA fa vitsy amin’izy ireo no mahafeno ireo fepetra ireo satria hatreo amin’ny Bepc no mari-pahaizana ananan’ny ankamaroan’ny mpampianatra FRAM mampianatra any amin’ny ambaratonga voalohany.

«Efa fanilihana anay sahady izy ity satria tsy vitsy ireo mpampianatra karamain’ny ray aman-drenin’ny mpianatra no efa nahavita 20 taona mahery teo amin’ny sehatry ny fanabeazana ka mihoatra ny fetran-taona takiana», hoy izy. Mitaky ny hanovana ny fomba fandraisana ireo horaisina ho mpiasam-panjakana ny ANEFA noho izany izay efa namolavola soso-kevitra rahateo. «Tsy fanadinana fa fifantenana ny antontan-taratasy no atao ka izay efa manana traikefa be indrindra sy nahavita fiofanana arak’asa ary ny diplaoma ambony no atao laharampahamehana. Raha io masontsivan’ny ministera io no ampiharina dia izay tanora vao nahazo bakalorea kanefa tsy manana traikefa amin’ny fampianarana akory no tsara toerana noho izy ireo mbola mahatadidy tsara ny lesona amin’ireo taranja ifaninanana fa tsy tahaka anay», araka ny fanazavan-dRandrianjafy Elidio hatrany. Efa nanatona ny ministera manoloana ny fitarainany ny ANEFA saingy tsy mety voaray mihitsy ka noho izany dia hanatanteraka hetsika eny amin’ny ministera eny Anosy izy ireo ny zoma izao. Marihina fa miisa 48.000 eo ho eo ny isan’ny mpampianatra FRAM eny anivon’ny ambaratonga voalohany sy ny kolejy. Araka ny tarehimarika navoakan’ny fikambanana dia izy ireo no mitana ny 2/3-n’ny taona faha-5 sy ny 90%-n’ny taona faha-3 eny amin’ny EPP any ambanivolo.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT