Actualités

Fidangan’ny vidim-piainana Nahena ny saram-pakana vola amin’ny finday


  • Talata 02 Aogositra 2022

Manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana mitohy manerana izao tontolo izao dia nanapa-kevitra ny hanena ny saram-pakana vola amin’ny finday eny anivon’ireo toerana fakana izany toy ny “Cash points”

sy ny DAM SGM ny orinasa MVola. Araka ny fampitam-baovaon’izy ireo dia natomboka omaly 1 aogositra 2022 ny fihenam-bidin’izany ho hatramin’ny 30%. Ho an’ireo orinasa madinika kosa dia azon’izy ireo atao manomboka izao na mametraka na maka vola hatramin’ny 20 tapitrisa Ariary. Tsiahivina hatrany, hoy ny tomponandraikitra, fa mihena hatrany amin’ny 50% ny saram-pandefasana izany. Ankoatran’izay moa dia misy ireo karazana lalao fisarihana mety hahazoana 50.000 Ariary hatramin’ny fahafaha-manjifa mitentina 3 tapitrisa Ariary, raha ny fanampim-panazavana voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT