Actualités

Fidangan’ny fitaovana fanorenan-trano Sao dia tokony atsahatra kely aloha ny fanorenana ?


  • Alakamisy 28 Oktobra 2021

Misy kosa ny manolo-kevitra hoe: Atsaharo aloha ny fanorenana!! Antony roa ny tena mampiakatra an'io ka voaloany dia ny saran’ny fitaterana na ny “fret maritime”, ary faharoa ny “speculation” na fanafenana ny entana.

 Ny saram-pitaterana no ambony noho ny vidin'ilay entana. Nitombo avo 2 sy 3 heny ny saran'ny fitaterana an-dranomasina noho ny fihitsohan'ireo kaontenera any Eoropa sy Amerika vokatry ny covid-19. Amin'ny janoary eo io vao hiverina amin’ny laoniny raha ny tombatombana. Betsaka koa ireo mpibizina te hanan-karena tampoka manoloana ny tsy fahafehezana sy tsy fahaizana na “incompetence” an'ny fitondrana ka samy mampiakatra araka izay tiany. Ny atsy amin’ny Nosy Maorisy izao efa nidina ny simenitra tamin’ny fiandohan'ny Oktobra teo. Ny fidrikinantsika hanohy hanjifa hatrany dia tsy mampihena ny tinady ka vao maika hitohy ny fiakaran'io raha tsy miato aloha isika. Ny tena loza, haintsika ihany ny Gasy fa raha hiverina amin’ny laoniny ny “fret maritime” dia tsy hisy hampidina izany eo fa hangalatra aza atao, ka dieny tsy tara loatra dia aleo aloha hatsahatra ny fanjifana mba ho marin-toerana ilay vidiny. Ho avy izao ny fahavaratra dia hanahirana ny fampitaovana sy fitahirizana na “logistique” an'ny simenitra izay mora simba, ka raha tsy manjifa isika izao dia voatery hampidina ny vidiny izy ireo hampihena haingana ny tahiry, hoy ny fanehoan-kevitra. “Ekena fa manam-bola be ianareo fa tsinjovy ny sarangam-piarahamonina antoniny na ny “classe moyenne”, izay tena lasibatr'ity fidangan’ny vidim-piainana na “inflation” ity, atsaharo kely aloha ny fanorenana”, hoy hatrany ny fanehooan-kevitra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

Hijery ny tohiny
FTT