Tsy nijanona teo amin’ny krizy politika sy fahasahiranana ara-toekarena ny fanonganam-panjakana nomanina tamin’ny taona 2009. Niitatra hatrany amin’ny sosialim-bahoaka mantsy ny olana misy eto Madagasikara, tsy miaina intsony fa efa manavotr’aina sisa ny 92%-n’ny Malagasy.
Mitombo isan’andro ireo mpiray tanindrazana fadiranovana noho ny fidangan’ny vidim-piainana. Tena efa mihatra aman’aina mihitsy ilay fahantran’ny vahoaka Malagasy ankehitriny. Mitotongana tanteraka ny fari-piainan’ny sarambabem-bahoaka. Andro vitsy, ohatra, dia efa lany ny karama vidin-katsembohana iray volana. Lasa ambanin-javatra ny lafiny fahasalamana sy ny sehatry ny fanabeazana eo anivon’ny tokantrano Malagasy. Olana vaovao sedrain’ny fiarahamonina Malagasy ihany koa ny fiakaran’ny solika, ny saran’ny jiro sy rano, ny saribao sy kitay amin’izao fotoana izao. Efa hita hatrizay moa ny tsy fifehezan’ny fanjakana ireo vidin-javatra samihafa, indrindra ireo entana fampiasan’ny mponina andavanandro. Tranga mahonena maro izay tsy eken’ny sain’ny mpitondra fanjakana mahefa hatramin’izao, araka ny fanehoan-kevitry ny filoham-pirenena.
Mahantra vaovao
Mandray latsaky ny 2 dolara na 1,88 euros na koa 6.000 ariary isan’andro ny 92%-n’ny vahoaka, araka ny tarehimariky ny Banky iraisampirenena. Miady amin’ny fiainana andavanandro ny Malagasy 9 amin’ny 10. Tena faran’izay mahantra kosa ny 52% ka tafiditra ao anatin’izany ireo Malagasy tratran’ny tsy fanjariantsakafo 1,4 tapitrisa ao Androy, Atsimo Andrefana ary Anosy, ireo tsy manan-kialofana, ireo tsy an’asa na koa ireo tantsaha maro an’isa mameno ny 75%-n’ny mponina eto Madagasikara. Mahantra vaovao ny 40% ambiny miaraka amin’ny firoborobon’ny varotra tsy ara-dalàna sy ny asa an-tselika toy ireo mpibata entana, mpitarika posy sy sarety. Efa manomboka tsy hita tabilao intsony moa ny sokajy afovoany. Mibahan-toerana eo anivon’ny fiarahamonina Malagasy kosa ny sokajin’ny mpitondra fanjakana mpanefoefo sy ny ireo valalabemandry tena sahirana manantena ny tsy misy, araka ny fomba fiteny. Kabary no betsaka ataon’ny mpitondra, tsy misy vahaolana matotra hamahana ny olana amin’ny sosialim-bahoaka, fanambakana indray aza no misy ary ny vahiny no mangorona ny tany eto. Sa efa tena hovonoina mihitsy ny Malagasy e ?
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.