Actualités

Fidangan’ny vidim-piainana Hidina an-dalambe ny mpanjifa ?


  • Alatsinainy 25 Jolay 2016

Namory olona tetsy amin’ny tranompokonolona Analakely ingahy Rabenitsara Lita, filohan’ny RNDC fantatra amin’ny resaka fiarovana ny zon’ny mpanjifa ny sabotsy lasa teo.

Anton’izany ny fanehoan-kevitra  momba ny sosialim-bahoaka eto Antananarivo. Tokony hisy ny tamberin’andraikitra sy tamberin’adidy amin’ny mpanjifa izay mandoa hetra saingy tsy tonga saina mihitsy ny manjifa eto Madagasikara fa matoritory. Tsy maintsy atao ny fanabeazana ny olom-pirenena ary mila mihaino ny mpitondra raha tena tompon’andraikitra marina. Toa tsy hita anefa ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana manoloana ny fahasahiranam-bahoaka na dia tsy miafina amin’ny mpitondra aza izany fiakaran’ny vidin’ny PPN sy ny faktioran’ny Jirama, ny halafon’ny saribao. Noho izany, tsy nisalasala ingahy Lita Rabenitsara naneho hevitra fa ilaina ny midina an-dalambe mba ho fanehoan-kevitra hanairana ny manampahefana. Aoka anefa tsy horaisina ho fanonganam-panjakana foana ny fidinana an-dalambe hanehoan-kevitra, hoy Rabenitsara Lita.


                                                                                                       Toky  R.

                                                                                                           

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT