Actualités

Fibatana olona teny Ivandry Mitantara ny nanjo azy ny vehivavy iray


  • Alatsinainy 13 Jona 2022

12.. TAB Toyota 4x4 Fortuner « gris foncé métalisé » manakaiky ny loko mainty. «Vitre fumé» avokoa ary misy sainan’ny klioban’ny baolina kitra frantsay,

PSG, mihantona eo amin’ny fitaratra anatiny, hoy ny famaritana ramatoa iray nilaza ho lasibatry ny fibatana olona teny Ivandry teny indray ny sabotsy teo. Tokony ho tamin’ny 12 ora sy 6 minitra tolakandro tany ho any, hoy izy, izany no niseho. Eo amin’io fiantsonan’ny fiara eny amin’ny La city Ivandry io. Soa fa nitondra vohoka aho dia mba navelan-drizareo; fa hoe tsy mety hono, hoy ny fitantarana. Na izany aza anefa dia nisy zavatra natsindrony ahy izay nahatonga ahy somary tsy nahatsiaro tena. Tena hoe dingana roa no tsy hidirako ny La City Ivandry. Na ny saoferako aza tsy naharaka na inona na inona fa ireo olona ireo sady mody miara-miomehy no maka sary mikorana aminao dia avy eo misy roalahy mibata ary mbola misy roalahy hafa anaty fiara. Manao fiteny avy any atsimo ny 2 ary ny 1 miteny vazaha fa ny saofera miteny merina. Manao sarontava ary misalotra akanjo mainty «blouson cuir» daholo. Ny iray misy tombokavatsa sarina voromahery sy liona eo amin’ny ranjony havia. Samia mitandrina fa tena efa miha ratsy ao ivelany ao, hoy hatrany ity ramatoa nijoro vavolombelona ity. Tamin’iny sabotsy iny ihany koa moa no nahenoana fitantarana hafa fa nisy tovovavy tafatsoaka ary nahatadidy fa iny lalana manjohy an’Ankadilalampotsy iny no saika nitondran’ireo olon-dratsy azy. Miha mazava araka izany ny famaritan’ireo milaza ho lasibatra amin’ity raharaha ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT