Manetsika ekipa maro ny Croix-Rouge mba hisorohana ny havesatry ny fiantraikan’ny rivodoza Emnati, araka ny fampitam-baovao niainga avy eto Antananarivo, Nairobi, ary Génève omaly 21 febroary 2022.
Miara-misalahy amin’ny fanetsehana ireo olony ny Croix-Rouge Malagasy (CRM), ny Federasionina iraisam-pirenen’ny Croix-Rouge sy ny Croissant-Rouge (IFRC) mba hanalefahana ny voka-dratsin’ny rivodoza, izay manantona an’i Madagasikara haingana dia haingana. “Hita taratra ny loza mandindona ny maha olona, ary vondron’olona maro no mety ho lasibatry ny fandalovan’ny rivodoza fanindroany tao anatin’ny iray volana. Hiteraka voka-dratsy ho an’ny faritra antsinanan’i Madagasikara, izay efa avy lasibatr’i Batsirai. Betsaka no rava trano, fambolena, fiompiana,… Tena manahy mafy izahay, ary miantso ireo mpiara-miombon’antoka mba hanamafy ny fanohanana hisorohana ny loza sy fahavoazana goavana amin’ny maha olombelona”, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Croix-Rouge Malagasy Rtoa Andoniaina Ratsimamanga. Ankehitriny mahatratra 140 000 ireo olona mbola mila fanohanana noho ny rivodoza Batsirai. Manoloana ny fidiran’i Emnati, nanambara ny CRM sy ny IFRC ary ireo mpiara-miombon’antoka aminy fa manomana fandraisana an-tànana sy famonjena vonjimaika mba hanampiana ireo mponina amin’ny toerana heverina holalovan’ny rivodoza. Manomana toeram-panatobiana sy mitaona ireo olona amin’ny toerana azo antoka kokoa. Nanambara ny Croix-Rouge, fa isan’ireo firenena folo marefo indrindra eto ambonin’ny tany amin’ny loza voajanahary i Madagasikara, ary tsy maintsy hatrehana sy mila hitadiavam-bahaolana izany satria miha mitombo ny fiantraikany. Ny any Atsinanana lasibatry ny rivodoza, ny any Atsimo tratry ny haintany sy hanohanana ka olona 1,3 no mila fanohanana ara-tsakafo, araka ny fanamarihana. Eto Madagasikara, any Mananjary moa ankehitriny i Alina Amtenkeng, tompon’andraikitry ny IFRC, miatrika sy mitondra anjara biriky noho ny fandalovan’i Batsirai, ary miomana amin’ny fahatongavan’i Emnati.
Toky R
Sary fanehoana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.