Volana iray mahery na roa eo ho eo sisa dia hiditra tanteraka ao anatin’ny fotoam-pahavaratra isika eto Madagasikara.
Ilana fiomanana tanteraka izany indrindra fa ny fanadiovana ny lakan-drano hisorohana ny mety hisian’ny tondra-drano. Tsy latsa-danja amin’ireny ny fanamboarana ireo karazana digy sy fefiloha….Ho an’ny kaominina Talatamaty manokana raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Raharinoasy Elie Dominic dia fantatra fa efa nisy ny fanamafisana ireo digy sy fefiloha ao amin’ny faritra misy azy hiarovana ny mety ho fahavakisany. Na izany aza anefa hoy ity Ben’ny tanàna ity dia misy ny asa mety tsy ho vitan’ny kaominina ary efa niantsoany ny APIPA. Taratasy maromaro no efa nalefa any amin’ireo tompon’andraikitra misahana izany hoy hatrany izy saingy mbola tsy nahazoana valiny. Tsy manakana ny kaominina tsy handray ny andraikiny anefa izany hoy hatrany ity Ben’ny tanàna ity ka efa misy ny asa natao ary efa misy ihany koa ny fepetra noraisina.
Pati
Legende : Tanimbary amina ha tahaka izao no voaaro amin’ny tondra-drano raha vita soamantsara io foto-drafitrasa io
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.