Actualités

Fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro Nanao atrik’asa ho ana ankizy 40 isa ny Orange


  • Alatsinainy 08 Novambra 2021

Mifandraika indrindra amin’ny fivoriana iraisam-pirenena andiany faha-26 mikasika ny toetr’andro na ny « COP26 » tanterahina any Glasgow ny 1-12 novambra, nisy ny atrik’asa nomena ny anarana « Super Codeurs,

 Codons pour la planète » nokarakarain’ny Orange Madagacar teny amin’ny Orange Digital Center ny faran’ny herinandro teo, izay niarahany niombon’antoka tamin’ny PNUD (Programme des Nations Unies pour le Développement). Natokana ho an’ny ankizy io, ka kilonga 10 taona noho miakatra manodidina ny efapolo isa no nandray anjara atamin’ity atrik’asa ity. Tanjona tamin’izany mantsy ny hanao fanentanana ny ankizy momba ny fiovaovan’ny toetr’andro, ka mifandraikira amin’ny Fanamby 17 ao anatin’ny Tanjon’ny Fampandrosoana Lovain-jafy na ODD (Objectif de Développement Durable) io. Nandray anjara tamin’ny alalan’ny fampisehoana sy lalao miendrika tetikasa kely ireo ankizy, ka naseho tamin’ny endrika fifaninana izany. Mifototra amin’ny fampiasana ny « codage informatique » ny zava-drehetra tao anatin’io karazana hetsika miendrika fanentanana mahomby sy mitondra fivoarana momba ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro io. Ho an’ity taona ity, firenena miisa valo misy ny tambajotran’ny Orange Digital Center no mandray anjara amin’ny « SuperCodeurs “Codons pour la planète” », ka hifampizara ireo asany ao anatin’ny fifanakalozana, ka tafiditra ao anatin’izany i Tunisie, Côte d’Ivoire, Maroc, Jordanie, Madagasikara, Sénégal, Mali, ary i Cameroun. Manana anjara toerana lehibe ao anatin’ny fanatanterahana ity tetikasa ity moa ny Orange Fondation.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT