Mena avokoa ankehitriny ny tondro mikasika ny fiovaovan’ny toetr’andro raha ny tatitra andiany faha 6 voaray teo anivon’ny fivondronan’ireo manam-pahaizana iraisampirenena momba ny fivoaran’ny toetr’andro na GIEC.
Efa miantraika amin’ny maha olona sy ny tontolo iainany izany, hoy ny fanazavana, ary heverina io fa tsy maintsy hiha mafy ary loza mitatao ho an’ny fivoaran’ireo firenena eto ambonin’ny tany. Tandindonin-doza koa ireo harena voajanahary. Hitombo ny risika mety haha lany tamingana azy ireny na ho an’ireo harena anatiny na ireo harena iraisam-pirenena. Araka ny fanadihadiana natao tamina karazam-biby an-tanety sy an-dranomamy miisa 105.000, izay bibikely ny 49%, zavamaniry ny 44%, ary biby lehibe ny 26% dia ahiana ny mety ho fihenan’ny rivotra iainan’izy ireny raha toa ka maherin’ny 3,2 °C ny hafanan’ny tany. Marefo indrindra amin’ny fiatrehana izany ireo firenena mahantra toa an’I Madagasikara. Ny fahafatesana vokatry ny tondradrano, haitany, rivodoza dia iakatra 15 avo heny noho izay iainana ankehitriny. Hisy fiantraikany amin’ny rafitra ekonomika ankehitriny koa io. Hiovaova arakaraky ny tranga misy koa anefa izany fiantraikany izany. Isany ny fifindra-monina sy ny fivelomana. Ho an’i Madagasikara manokana dia avy nandalo andro ratsy miisa 2 sy rivodoza miisa 2 ihany koa isika hatramin’ny nanombohan’ity taona 2022 ity. Efa nahitana vaika nitombo noho ny mahazatra izany loza voajanahary izany. Raha ny hita tao anatin’ny 10 taona farany, hoy hatrany ny GIEC, dia tsikaritra ho efa nisy fiovany ny toetr’andro aty amin’ny ranomasimbe indianina ary manomboka zatra izany ny toetany any atsimo. Niha mafy ireo loza voajanahary ary namparefo ny nosy izany. Tandindomin-doza ao anatin’izany koa araka izany ny vahoaka malagasy noho ny faharefoany. Manampy trotraka ny tsy fahampian’ny rotsak’orana nandritry ny taona maro izay tena namely ny tany atsimo ary amin’izao fotoana izao dia miha mafy ny ady amin’ny hanohanana noho ny mbola fandalovan’ny Covid 19, hoy hatrany ny fanazavana. Tsy nisy vahaolana azo tsapain-tanana loatra voalazan’ity rafitra ity moa fa dia nobangoina tsotra tamin’ny maika ny vahaolana eo amin’ny lafiny sosialy, toekarena ary ara-tontolo iainana izany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.