Actualités

Fiarovana sy fitrandrahana hazo sarobidy Mifanohitra amin’ny lalŕna ny fanapahan-kevitry ny FAT


  • Alakamisy 21 Jolay 2011

Mifanohitra amin’ny lalŕna efa nisy hatramin’izay ny fanapahan-kevitra noraisin’ny FAT manoloana ny fiarovana sy ny fitrandrahana ireo hazo sarobidy eto amintsika, araka ny fanazavan’ireo “Agents forestiers” mivondrona ao amin’ny sendika teknisianin’ny ala.

 Nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety omaly notontosain’izy ireo tao amin’ny CREAGR Nanisana no nahafantarana izany. Raha ny lalàna manankery mikasika ny tantara manodidina ny “bois de rose” fotsiny mantsy dia nambaran’izy ireo fa tokony hogiazana avokoa ireo hazo rehetra efa tapaka fa tsy avela fotsiny amin’izao. Noho io antony io indrindra no nambaran’ity sendika ity fa nahagaboraraka ny fitrandrahana ireo karazana hazo sarobidy eto amintsika ankoatra ny fanomezan’ny fitondram-panjakana fanomezan-dalana hitrandraka na “autorisation de collecte” tamin’ny taona 2005 sy ny “autorisation d’évacuation” tamin’ny taona 2007 ary ireo naoty sy didim-pitondrana navoaka izay mifanohitra amin’ny lalàna velona.

Manoloana izany dia nandroso vahaolana maromaro ho an’ny fitondram-panjakana ity sendika ity mba hisorohana ny fanapahan-kevitra mety hitondra ny firenena any an-davaka. Anisan’izany ny fampiharana ny andininy faha-20 sy ny faha-40 ao amin’ny didy hitsivolana 60-128 tamin’ny 03 novambra taona 1960 mikasika ny “transaction”. Tafiditra ao anatin’ity “transaction” ity ny famerana ny loa-vola tsy maintsy hatao amin’izany, izany hoe ny sarany tokony haloa mba hahafahana mandio ny hazo. Voakasik’ity tolo-kevitra ity avokoa ireo olona manana io hazo io amin’izao fotoana arahin’ny fanisana ireo hazo efa nogiazana rehetra manerana an’i Madagasikara.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT