Manana ampitaina amin’ireo vahoaka ifotony sy ny sokajin’olona samihafa ny mpiantsehatra ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana mba ho foana .
Ao anaty vahoaka ifotony koa anefa misy olona mitana ny tsiambaratelon’ireo zavamanan’aina eto amintsika. Tanterahina ao amin’ny faritra telo ny fanabeazana ara-tontolo iainana dia singa tsy azo ialana amin’ny resaka fampiasana maharitra ny harena voajanahary araka ny fanazavan’ny mpanolotsaina ara-teknika ao amin’ny fandaharan’asa Fandaharanasa fiarovana sy fitrandrahana amin ny fomba lovainjafy ireo harena voajanahary (PAGE GIZ) misahana ny fanabeazana ara-tontolo iainana sy ny ady amin’ny kolikoly, ramatoa Miezaka Razafindralambo. Mila ampahafantarina ny mponina ifotony ny tombontsoa entin’ny zava-boahary sy ny karazan’aina ary tokony asongadina ihany koa ny fiantraikan’ny fanimbana sy ny loza mety hiseho raha fongana tsy misy intsony ireo harena voajanahary ireo mba hampazoto azy ireo hiaro izany. Ao amin’ny faritra Analamanga, Boeny ary Diana moa no miantsehatra mahakasika izany ny PAGE 2 GIZ. Voakasik’izany fampahatongavan-tsaina momba ny maha maika ny fiarovana ny tontolo iainana izany koa ireo mpanapa-kevitra eto amin’ny firenena, ireo mpikaroka ary ireo mpikirakira ireo harena voajanahary dia ny sehatra tsy miankina izany. Tsy zavatra atao indray mandeha anefa izany fa ezaka mifampitohy ary misy paikady manokana izay tokony iarahan’ny mpiantsehatra rehetra manatanteraka.
Sary 1: Anisan’ny mponina nisitraka fanentanana ireo fikambanam-behivavy monina ao Ankarafantsika
Manana tsiambaratelo koa ireo mponina ifotony Etsy andanin’izay, misy ampahany amin’ireo vahoaka mampiasa ny tontolo iainana toy ireo mpitsabo nentim-paharazana no manana fahalalana manokana momba ny tontolo iainana koa. Tsy nianarana avy any ivelany ny karazam-pahalalana kanefa hain’izy ireo ny mampiasa ireo zava-maniry sy akora azo avy amin’ny biby eto amintsika. Ohatra vitsivitsy Ny ravinala na Madagasikariensis dia misy rano izay ao anatiny omena ny ankizy mivalan-drano am-pandriana. Zava-maniry toy sodifafana, ny vahona, ny menadraharaha no matetika ampiasain’ny mpanotra Malagasy ary ahitam-bokany. Ampiasaina hitsaboana koa ny menaboay, torak’izany koa ny voalavo izay hitsaboana sohika… Tokony atao “recensement” Nanoso-kevitra moa filohan’ny Fikambanam-pirenen’ny Mpitsabo Nenti-paharazana eto Madagasikara ANTM, andriamatoa Andriandrainarivo Josephin Rasamivelona nandritra ny Symposium momba ny rohivoahary sy ny fahasalamana farany teo fa tokony isaina ny zava-maniry eto Madagasikara ka atao fanadihadiana “ethno-botanique” izany, izany hoe hanontaniana ifotony isam-paritra ny anaran’ny zava-maniry na zavamananaina tsirairay sy ny fomba fampiasana azy. Horaketina avokoa izany ary asiana rafitra itahirizana sy hametrahana zo ho an’ny tompom-pahalalana sy ny tompon’ilay zavatra voajanahary. Ity farany araka izany no ampahana vola miverina amin’ireo vahoaka ifotony mba ho tombotsoa iombonana ho azy ireo. Ity sehatra ity kosa no iaingan’ny fikarohana rehetra momba ny harena voajanahary avy eo araka ny soso-kevitra ihany.
Natty
Sary 2 : Ny filohan’ny ANTM , Atoa Andriandrainarivo Josephin Rasamivelona
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.