Actualités

Fiarovana ny tontolo iainana Ho voasazy ireo fiara midona-tsetroka be


  • Alatsinainy 04 Janoary 2021

Araka ny fanadihadiana nataon` ny mpikaroka momba ny tontolo iainana ny

 

 

volana oktobra 2019 dia tafahoatra loatra ny fahalotoan`ny rivotra eto Antananarivo. Manamarina izany ny tarehimarika ambony azo avy amin` ny fampiasana ny fitaovana avo lenta (TemTop LKC-1000S+). Hofanamafisana ny fiarovana ny tontolo iainana izay vaindohan-draharahan` ny fitondram-panjakana, ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR) dia ho hentitra amin`ny fanaraha-maso ireo fiara mamoaka setroka mihoampampana (fumées excessives) ka « inapte » avy hatrany tsy hisy indrafo. Manentana ity sampandraharaha ity ho an`ireo manana fiara toy izany mba hikolokolo sy hanamboatra mba tsy hanetroka. Hisy ihany koa ny fitsirihana tampoka an-dalambe iarahana amin` ny mpitandro filaminana (polisy, zandary).

 

Ireo avy ireo laharana finday ahafahan` ny olom-pirenena mampandre ireo tompon`andraikitra raha misy fiara mamoaka setroka mihoampampana (fumées excessives): 034 05 530 19 (Tale misahana ny hestika an-dalambe); 034 14 010 05 (sampandraharaha miandraikitra ny fitsirhana an-dalambe); 034 47 228 80 (seraseran` ny foibe fitsarana fiarakodia); 034 77 777 03 (mpiandry raharaha na sale OPS DGSR); na ihany koa manoratra ao amin` ny pejy fesiboky “DGSR Mada”

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT