Actualités

Fiarovana ny sokatra Nanome 150 000 dolara ny Amerikanina


  • Alarobia 02 Desambra 2020

Hafaliana ho anay ny manambara famatsiam-bola mitentina 150 000 dolara ho

 

 

an'ny Turtle Survival Alliance (TSA) hahafahan’ity sampan-draharaha miaro ny bibidia ity hanohy ny asany amin'ny fikarakarana ireo sokatra voavonjy, ary hamerina azy ireo soamantsara any an’ala, hoy ny Sampan-draharaha Amerikanina momba ny fampandrosoana iraisam-pirenena na ny USAID. Nitotongana efa ho 80% ny famatsiam-bolan’ny TSA satria ireo mpanohana lehibe: ny valam-biby sy ny aquarium, dia saika nihidy avokoa vokatry ny Covid-19. Miady ihany koa amin’ny fanondranana biby antsokosoko ny governemanta Amerikana amin'ny alàlan'ny tetikasa roa goavana an'ny USAID, dia ny USAID Hay Tao sy ny USAID Mikajy, izay mampiasa vola mitontaly 45 tapitrisa dolara eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana, araka ny fampahafantarana nataon’ny USAID iray tendro amin’ny Masoivoho Amerikanina eto amintsika.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT