Nisy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ny MEDD sy ny BIANCO ho
fiarovana ny harena voajanahary eto amin'ny firenena sy ho fampihenana ary fiadiana amin'ny fanondranana an-tsokosoko azy ireny. Aharitra 2 taona ny fiaraha-miasa ary mifantoka amin'ny fampiofanana izay atao ao amin'ny ivon-toeram-pirenena ho an'ny fiofanana, fandalinana ary fikarohana momba ny tontolo iainana sy ny ala (CNFEREF). Hamafisina ny fampiharana ny lalàna sy ny fisorohana ny kolikoly amin'ny alalan'ny fanadihadiana ny endrika kolikoly mety hitranga. Homen-danja ihany koa ny fanaraha-maso anatiny mba hanatsarana ny fomba fitantanana eo anivon'ny MEDD.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.