Actualités

Fiarovana ny alan Ankerana Hiara kiasa i Ambatovy sy ny Conservation international


  • Alarobia 13 Aprily 2022

Notanterahan Ambatovy sy ny Conservation International ny 11 aprily 2022 tao Antananarivo ny fanaovan tsonia ny

fanavaozana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny roa tonta mahakasika ny fiarovana ny alan’Ankerana. Mirakitra ny fomba fiaraha-miasa, ny fanohanana ary ny fifanakalozana eo amin'ny roa tonta eo amin'ny sehatry ny fiarovana sy ny fitantanana ara-drariny sy maharitra ny haren-javaboaary eo amin’ny manodidina sy ao amin'ny alan’Ankerana izay iray amin’ny toerana fanonerana ny zava-manan’aina (na Site Offset) ao Ambatovy izany fifanarahana izany izay navaozina ho an’ny 5 taona ho avy. Tanjona amin’izany fifanarahana izany ny fitandroana ny ambaindain’ny faritra mba hanonerana ireo mety ho fahasimbana eo amin’ny zava-mananaina, sy ny vokatsoa avy amin’ny rohin-javaboahary vokatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ao Ambatovy amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny tombontsoa azo sy ny fampiasana maharitra ny haren-javaboaary. Ambatovy no hanome ny fanohanana teknika sy hiantsoroka ny lafiny vola ilaina amin’ny fanatanterahana ny asa fitantanana sy fiarovana. Ny Conservation International kosa, etsy ankilany, ankoatra ny zavatra hafa, no hametraka paikady fampandehanan-draharaha, hitantana ary hanatanteraka ny asa, ary hiantoka ny firindrana eo amin’ny tanjon’ny fiarovana sy ny fanamby mipetraka eo amin’ny lafiny sôsialy sy tontolo iainana manodidina ny faritra mba hanatrarana ny tanjon'ny Fifanarahana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT