Actualités

Fiarovana ny ala sy ady amin’ny afo “Tsy dia azo itokisana firy i Madagasikara”


  • Alatsinainy 14 Novambra 2022

Marina fa iharan’ny fiovaovan’ny toetrandro ateraky ny firenena indostrialy i Madagasikara, hoy ny avy eo anivon’ny INDRI na “Initiative pour le développement, la restauration écologique et l’innovation”

izay sampan-draharaha miady amin’ny famotehana tontolo iainana eto amintsika. Manana zo mihitsy ny filohan’ny repoblika ny hitaky ny fankatoavan’izy ireo ny teny nomeny manoloana ny fampihenana ny entona karbona sy ny fanomezana fanampiana ara-bola ireo firenena marefo, hoy ny INDRI. Ny olana anefa dia na efa maro aza ny asa tanteraka dia tsy dia azo itokisana i Madagasikara raha ny resaka fiarovana ny ala sy ny ady amin’ny afo no jerena, izay singa roa tena andrasan’ny sehatra iraisampirenena amintsika. Miankina amin’ny fanatanterahantsika izany anefa ny habetsahan’ny fanampiana hatolotra antsika. Tsy maintsy manaja ny teny nomeny ihany koa i Madagasikara, indrindra, momba ny fanajana ny faritra arovana, ny fambolen-kazo sy ny fanarenana ny tontolony. Nanolo-tena manokana amin’ny fanarenana 4 tapitrisa hektara moa ny nosy amin’ny taona 2030, izay teny nataony tamin’ny “Fanamby Bonn”. Zava-dehibe ireo tanjona ireo, indrindra, ho an’ny hoavin’ny mponina malagasy. Izany manko dia hanampy amin’ny famerana ny haintany ary hiantoka ho avy tsara ho an’ny 80%-n’ny mponina izay miaina any amin’ny tontolo ambanivohitra. Ny “vision Madagascar Ile Verte” dia tena azo tanterahina fa tsy maintsy arahana finiavana politika, drafitra maty paika ary arahin’asa azo tsapain-tanana, hoy hatrany ny INDRI.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT