Hankalazaina anio alatsinainy 14 febroary ny fetin’ny mpifankatia. Zara lasa fiainan’ny mpifankatia sy ny mpivady eto amintsika mihitsy ny manamarika azy io efa taona maromaro izao saingy ny mampalahelo dia tsy vitsy amin’ireo
ankizy mpianatra vao mianatra mitia ihany koa no efa manararaotra azy io sahady hanimbany ny tenany. Misy ireo mahavita manafina aron’akanjo mihitsy nefa mbola mibaby kitapo na lahy na vavy ary lasa mamonjy ireny trano fisotroana ireny sy ny tranon-dopy na trano fandraisam-bahiny. Mampitandrina sahady ireo tompon'andraikitra misahana ireo trano voatonona eo ambony ireo araka izany ny mpitandro ny filaminana. Hampihatra ny lalàna avy hatrany mantsy izy ireo ho fiarovana ny ho avin’ny zaza Malagasy. Miantso ireo mpampianatra ihany koa izy ireo mba hanamarina ny fialan-tsinin'ireo tsy tonga sao dia misy hianatra ihany hivoaka ny trano anio nefa zavatra mihitsy no hataony. Miantso ny Ray aman-dReny mba hitandrina ihany koa ny mpitandro ny filaminana manoloana ity fankalazana ny datin’ny 14 febroary ity.
Pati
Legende : Atahorana hamonjy trano fandraisam-bahiny tahaka itony ireo zaza tsy ampy taona eto amintsika anio raha tsy voafehy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.