Lany haiky ny manampahaizana maneran-tany momba ny tsy fahitana ilay fiaramanidina lehibe Boeing 777 iray avy any Malezia ho any Sina. Hatramin’izao ora anoratana izao dia tsy misy tokotaniny ny fanadihadiana satria tsy hita mihitsy hoe nankaiza ilay izy. Efa nandefa ny manampahaizany avokoa na ny avy any Etazonia na ny avy any Sina, Rossia, Frantsa … fa dia tsy hita hatramin’izao ny niafaran’ilay fiaramanidina. Ny vinavina ankehitriny dia mety ho nipoaka teny ambonin’ny ranomasina ity farany. Ilay mpanamory dia anisan’irony katraka indrindra tao amin’ny orinasa Malaysia Airlines, araka ny vaovao. Ilay fiaramanidina ihany koa dia irony tena raitra, ary tsy mba nahitana olana firy irony. Dia samy miandry izay tohin’ny tantara izao tontolo izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.