Actualités

Fiaramanidina Embraer E190-E2 Hofaina 1 miliara Ar eo ho eo isam-bolana


  • Alakamisy 08 Desambra 2022

Nosoniavina omaly teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fifanarahana teo amin’ny Madagascar Airlines sy ny Avioneur Embraer ary ny Azorra izay mampanofa io marika fiaramanidina io.

Hahazo fiaramanidina E190-E2, ho tonga afaka 4 volana I Madagasikara, ka any amin’ny faran’ny volana martsa 2023 no afaka hiasa izy io hanao ireo sidina ato anatiny, ary hiitatra amin’ireo Nosy manodidina toa an’I Maurice, La Réunion, ary mety ho tonga hatrany Johannesburg aoriana kely. Nambara fa matanjaka kanefa mitsitsy sy mahavita lavitra, ka raha adin’ny roa no hanaovan’ny fiaramanidina sasany an’Antananarivo-Diego dia vitany adin’ny iray. Afaka mandeha 7ora tsy miato, ka mahavita sidina mivantana Antananarivo-Dubai na Antananarivo-Mumbai tsy mila “escale”. Tsy hoe novidiantsika madiodio moa izy ity fa hofaina 245000 dolara izany hoe manodidina ny 1 miliara Ar isam-bolana, fanofana anatin’ny fotoana lava 9 hatramin’ny 12 taona any, fa afaka resahana manokana ny mety hividianana azy. Naneho ny Filohan’ny filankevi-pitantanana ny Madagascar Airlines Rtoa Rinah Rakotomanga fa drafi-panarenana 5 taona no atolotr’izy ireo, ary tsy very akory I Air Madagascar, fa Madagascar Airlines no hisahana ny fitaterana an’habakabaka, fa ny Air Madagascar kosa dia anatin’ny antsoina hoe: “holding”. Aorian’ny fialan’ny “redressement” afaka taona vitsivitsy dia nambara fa hiverina ny Air Mad. Naneho fa hivelatra ny sidina, ka hitohy hatrany Inde, faritra maro any Eoropa, any Afrika, hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka vonona,... Omaly ihany koa no nampahafantarina ofisialy ny Tale Jeneraly vaovaon’ny Madagascar Airlines izay teratany Frantsay dia i Thierry Bailleul, izay voalaza fa 35 taona nisahanana andraikitra tamina kaompania an’habakabaka. Efa filoha lefitra ara-barotra ho an’ny Eoropa teo anivon’ny Qatar Airways nanomboka ny may 2020, raha tao anatin’ny Air France-KLM ny 2013-2019. Nampanantena I Thierry Bailleul fa hisy ny dingan-dava atao, tsy maintsy hamiratra ao anatin’ny fotoana fohy ny Madagascar Airlines, farafaharatsiny aty amin’ny Ranomasina Indianina. Naneho kosa moa ny Filoha Rajoelina izay isan’ny loharanon’ny fahapotehan’ny Air Mad nanomboka ny 2009, fa manamarika ny fanirian’ny Fitondram-panjakana sy ny fanoloran-tenany amin’ny fanavotana ny orinasa Air Madagascar amin’ny alalan’ny Madagascar Airlines izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT