Actualités

Fiaramanidina CASA- CN-235 Fotoana ilàna azy izao raha mbola any


  • Talata 08 Febroary 2022

Miatrika ny fanarenana taorian’ny rivodoza Batsirai i Madagasikara, izay namela takaitra goavana indrindra iny ilany atsinanana sy atsimo atsinanan’ny Nosy iny.

Samy miantso fiombonana sy firaisankina ary koa fifanomezan-tanana amin’ireo mpiray tanindrazana amin’ireo faritra tena voa mafy na ny mpitondra fanjakana na ny mpanohitra manoloana izany. Ny fotoana toy izao ihany koa no anetsehana ireo fitaovana sy herivelona eto amin’ny firenena ary koa ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Manoloana ny fahasimban’ny fotodrafitrasa toy ny tetezana sy lalana, ka mahasarotra ny fifamoivoizana an-tanety dia izao no tena ilàna ny fitaovam-pitaterana anabakabaka toy ny helikôptera hanavotana ireo mpiara-belona tafahitsoka fahirano any anelanelan-tany any, toerana be rano rahateo iny atsimo atsinanana iny. Toy izany koa ny fiaramanidina amin’ny fitaterana olona hanao tantsoroka, fitaovana, fanafody ary koa sakafo. Tsaroana eto ilay fiaramanidina CASA- CN-235 nambara fa novidian’ny fanjakana Malagasy tamin’ny 03 Jona 2019 ary nigadona teto Madagasikara zoma 24 jona 2019, hita-bahoaka nandray anjara tamin’ny matso ny 26 jona 2019. Nampiasaina nitaterana fanafody tamin’ny taona voalohany nisian’ny valanaretina covid-19 teto Madagasikara. Nangingina taorian’izay. Mbola any sa nankaiza iny fiaramanidina iny, fa izao no fotoana tena ilàna azy ? Vola be an-tapitrisany euros rahateo no natontona taminy .
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT