Actualités

Fiaramanidina avy any Bangkok Nody maina ireo mpitandro filaminana nanao savahao


  • Alatsinainy 30 Jolay 2012

Araka ny feo nandeha dia tokony hiverina an-tanindrazana tamin’ny alalana zotram-piaramanidina avy any Bangkok ny sabotsy alina teo Rtoa Lalao Ravalomanana sy ny vinantovaviny taorian’ny nandroahana azy ireo tamin-kerisetra ny zoma tolakandro teto amintsika.

 . Samy nihatrana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato avokoa ireo mpitsena, na ireo mpomba avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, na ireo mpitandro ny filaminana mbola saika hanao fihetsika mamohehatra indray. Tsy azon’ireo vahoaka nidirana moa ny seranana ny sabotsy alina lasa teo ka dia tety am-pidirana no niandry tamim-pilaminana ireo vahoaka na dia efa alina sy namirifiry aza ny andro.

Samy diso fanantenana ny andaniny sy ny ankilany satria tsy tao anatin’ilay zotra avy any Bangkok izay tonga tamin’ny 10 ora alina ny ireto olona hotsenaina. Raha vantany vao tonga moa ilay fiaramanidina dia ry zareo mpitandro ny filaminana no niakatra tanatiny nanao savahao an’ireo mpandeha. Tsy tao anefa izy mianaka ka dia niveri-maina tamim-pimenomenomana izy ireo. 

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT