Actualités

Fiaramanidina Airbus A340-300 Nanaovan’ny mpanamory gasy andrana omaly


  • Alatsinainy 02 Jolay 2012

Nigadona teo amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny fiandohan’ny tolakandro ny sabotsy 30 jona teo ilay fiaramanidina faharoa, Airbus A340-300, an’ny kaompania Air Madagascar.

 Novidiana tamin’ny kaompania Air France izy ity, ka endrika fanofana 350.000 dolara isam-bolana eo, mandritra ny enin-taona no ifanarahan’ny roa tonta aorian’izay vao tena fananan’ny Air Madagascar tanteraka ity Airbus ity. Na izany aza dia sady efa mitondra ny lokon’ny Air Madagascar no manana laharana Malagasy (5R EAA) ity voromby ity. Adihevitra eo amin’ny samy mpiasa anefa, na izany aza ny safidy io laharana 5R … io satria ny laharan’ny fiaramanidina Malagasy hatramin’izay dia 5M …, ka manahy ny mpiasa sao ivelany fotsiny ihany ny loko Air Madagascar nefa hitatatra ho an’ny hafa fotsiny eo. Na izany aza dia niroso tamin’ny fizarana io fiaramanidina airbus io ny mpanamory gasy ny PNC (personnel navigant commercial) omaly, tapakandro maraina. Nisy, araka izany, ny sidina andrana natao niainga sy nijanona teo amin’ny seranan’Ivato. Io ihany koa aloha hatreto no seranana gasy mahazaka ity airbus ity. Any amin’ny 6 jolay any vao hitondra mpandeha ka sidina mankany Azia no hosahaniny amin’izany.
Mikasika ilay airbus “ELATRA”, noraisina ofisialy ny 12 aprily 2012, dia re fa nisy olana indray ny varavarany ka raha tokony ho tonga ny sabotsy 30 jona vao maraina dia omaly alahady 01 jolay tolakandro vao nigadona.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT