Raha famohamandry ho an’ny sasany, famantaran’ora ho an’ny hafa ny feon-dakolosy miainga amin’ireny fiangonana ireny dia mivadika ho fanelingelenana kosa indraindray raha mahery faneno loatra. Etsy Ambatoroka izao dia misy olona mitaraina fa ampanenoin'ny tompon'andraikitra mafy loatra ny lakolosy elektronikan'ny fiangonana ny maraina amin’ny 6 ora iny ka “tena manelingelina mihitsy” raha araka ny filazan’izy ireo azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.