Mitovy ny tolona hatrehin’ny vovonan’ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpanao gazety ankehitriny.
Samy tsy nisy fifampiresahana sy ny dinika tamin’izy ireo avokoa mantsy ny nanapahan’ny fanjakana tamin’ny alalan’ireo andrim-panjakana roa misy eto amintsika ny sata mifehy ny fifandraisana eto amintsika sy ny fananganana ny “ Cour spéciale pour la délinquance économique financière et fiscale”. Tandindomin-doza ny ady amin’ny kolikoly sy ny fahalalahan’ny olona hahazo vaovao marina eto amintsika, antony nampiantsoany mpanao gazety tetsy amin’ny SAF FJKM omaly. Ho an’ny sata mifehy ny fifandraisana manokana izay efa lany teny anivon’ny Antenimieram-pirenena, mbola hiverina handalo eny anivon’ny Antenimierandoholona izay vao holaniana eny anivon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana dia fantatra fa tokony ho niandry ny fehin-kevitra avy amin’ny mpanao gazety izy iny niampy ny valin-tenin’ny solontenan’ny firenena mikambana izay nifampidinika tamin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta sy ny filoha. Ny nahavariana anefa, hoy Rakotonirina Gerard filohan’ny holafitra dia mbola nezahina nolaniana ihany izany na dia efa alim-be aza. Ho an’ny vovonan’ny fiarahamonim-pirenena indray izay nosoloin’ny filohan’ny Alliance Voahary Gasy tena dia nambaran’izy ireo fa tsy nisy ihany koa ny dinika tamin’ny fananganana io rantsana iray io. Efa misy telo anefa eto amintsika raha ny ady amin’ny kolikoly no resahina, hoy hatrany izy ireo saingy tsy hita izay zava-bitany. Toa zary mijanona eo amin’ny fanadihadiana hatrany ny raharaha fa tsy mbola nisy ny tena fampiharana ny lalàna. Nomarihin’izy ireo moa fa efa nantsoin’ny praiminisitra tany amin’ny biraony izy ireo mikasika ny fananganana io rantsana vaovao io saingy olon-kafa no nandray azy ireo tao izay tsy nanan-katao afa-tsy ny nanatsara zavatra fa tsy nihaino ny feon’izy ireo akory.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.