Fiarahamonim-pirenena

> Natomboka ny fanohanana ny ao Vakinankaratra


  • Alarobia 28 Aogositra 2013


Natomboka tao Antsirabe ny talata 27 aogositra ny fanamarihana ny fanombohan’ny fanohanana ny fiarahamonim-pirenena ho an’ny «Mangarahara sy ny Tamberin’andraikitra sosialy» ka namoriana ireo mpisehatra rehetra nanerana ny Faritra Vakinankaratra. Raha ny nambaran’Atoa Ravelonandro Christian José, avy ao amin’ny PGDI (Projet de Gouvernance et de Développement Institutionnel) dia tanjona ny hampisy izay mangarahara sy tamberin’andraikitra izay eny anivon’ny fiarahamonina ka ireo fikambanana voafantina no hisahana ny asa. Heverina mantsy fa tsy tomombana ny fampandrosoana raha tsy mipetraka ny fangaraharana ahafahan’ny mpitondra na izay tompon’andraikitra manao ny tamberin’andraikitra any amin’ny vahoaka. Tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena ara-bola ny tetikasa, ka hisy ny rantsana najoro nantsoina hoe : «COPILO» ny Comité de Pilotage izay hivondronan’ireo fiarahamonim-pirenena sy ny Ben’ny tanàna hisahana ny fanaraha-maso sy ny fitantanana ity famatsiam-bola ity.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT