Actualités

Fiaraha-mientana ho an’ny Fahasalamana Ho tanterahana etsy amin’ny Gara Soarano ny Be M’ray


  • Alatsinainy 12 Desambra 2022

Ho tanterahana etsy anoloan’ny Gara soarano ny 14 sy ny 15 desambra 2022 ho avy izao ny hetsika Be M’ray . Izy ity dia ho fampiroboroboana ireo fihetsika fototra ara-pahasalamana 21 miompana amin’ny rano,

fidiovana sy fanadiovana, ny tazomoka, ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, ny fahasalamana ara-pananahan’ny zatovo, ny fanambadiana aloha loatra, ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ny fanjariantsakafo, ny fanabeazana ny zaza, ny fanaovana vaksiny, ny ady amin'ny sigara sy ny taoka ary ny fanafody.Ho hta mandritra ny roa andro anatin’ny hetsika ny fanomezana ireo tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana sy fanentanana ara-pahasalamana maro. Mikirakara ny hetsika ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka maro samihafa toa ny Unicef, Usaid, WaterAid, Access, Care, ministeran’ny fanabeazam-pirenena, ministeran’ny fiarovam-pirenena , ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina sy ny maro hafa…Manentana hatrany ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka fa zava-dehibe nyfiara-mentana ho amin’ny fahasalamana ary tokony samy hitondra nyanjara birikiny ny tsirairay amin’ny sehatra misy azy avy.
Nangonin’ny RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT