Actualités

Fiaraha-mientan’ny mpiasam-panjakana Ampy izay ny fanaovana ankilabao sy ny tahotra


  • Talata 19 Jona 2012

Maro ireo mpiasam-panjakana namaly ny antson’ny “Collectif Interministériel des Agents de l’état» omaly tolakandro.

 Nahafeno ireo efitrano roa malalaka natambatra tao amin’ny rihana voalohan’ny trano fandraisam-bahiny Carlton izy ireo. Tafaraka tao avokoa na ny sendika na ny mpiasam-panjakana tsotra. Tsy nisy ny fanavahana ka navalona hatreo ny filazana hoe «grands» sy «petits corps» na mpiasam-panjakana ambony sy ambany. Mitovy avokoa rehefa mpiasam-bahoaka, araka ny fanamarinan’i Balsama, anisan’ireo mpanentana teny anivon’ny ministera isan-tokony. Ambetin-tenin’ireo rehetra nandray fitenenana ny hoe : «very tanteraka ny hasin’ny mpiasam-panjakana fa tena mikorosofahafana tanteraka». Zary natao ho fahatsiarovana tamin’io omaly io ny fitantarana ny toerana mbamin’ny haja amam-bonihaitra nananan’ny mpiasam-panjakana teo anivon’ny fiarahamonina fony Repoblika Voalohany.

Nilaza Rabemanantsoa Charles fa maro ireo hetaheta naroso ny fanjakana saingy manao bemarenina ny mpitondra, fampanantenana no betsaka. Antso no nataony ho an’ny mpiasam-panjakana rehetra tsy hanaiky intsony ka nilazany fa «ampy izay ny fanaovana ankilabao». Miandrandra ny hisian’ny fiaraha-mientan’ny mpiasam-panjakana tahaka ny zava-nisy tamin’ny 01 mey teo ny tenany. Vao mainka nanapotsitra ny vay koa Razananaivo Jean Paul, filohan’ny Sendikan’ny mpiambina ny fonja (SPMM) raha nandray fitenenana. Nambarany fa tsy misy zavatra mandeha intsony eto momba ny mpiasam-panjakana ka tsy tokony hanaiky sarahana amin’ny resaka politika na koa amin’ny fanambazana vola isika. Nampiany fa tsy tokony hipetra-potsiny ny mpiasam-panjakana fa efa tafahoatra loatra ny antsojay atao aminy. Manainga ireo namany hijoro manoloana ny tsy fetezana ny tenany satria rehefa mivondrona, hoy izy dia ho azo izay takiana. Namaranany ny teniny ny hoe «Aoka izay ny tahotra». Ampahany amin’ny fanehoan-kevitra omaly ireo izay mifanojo amin’ny fanambarana nataon’ny sendika hafa ny alakamisy lasa teo. Ireto farany izay nilaza tamin’izany fa leo ny fandikan-dalàna sy ny fanaovana ramatahora ny mpiasam-panjakana ary ny maro hafa.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT