Nilaza ny fahavononany handresy lahatra ireo mpandraharaha maleziana hampiasa vola eto Atoa Adnan Tengku Mansor, Sekretera jeneralin’ny vondron’antoko UMNO (United Malays National Organisation) any Malezia, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Apart Hotel Ambatoroka omaly tolakandro.
Minisitry ny fizahantany teo aloha tany Malezia, ary parlemantera ihany koa ny tenany, ary tonga eto Madagasikara mitarika delegasiona avy amin’ny antoko UMNO, hiatrika ny zaikaben’ny antoko Mamafisoa (Malagasy Mandroso ao anatin’ny Fihavanana sy ny Soatoavina), izay tarihin’Atoa Rajemison Rakotomaharo, araka ny fanasan’ity farany. Betsaka ny zavatra heno mikasika an’i Madagasikara, hoy Atoa Datuk Seri Tengku Adnan Tengku Mansor, nefa tsapanay amin’izao fahatongavanay eto izao, na vao sambany aza, fa manana otrikarena maro ity firenena ity, ary misy fiaraha-miasa azo velarina sy trandrahina eo amin’ny firenena roa tonta, mba hiteraka fampandrosoana sy hanamafisana ny fifandraisana sy fifaneraseran’ny mponin’ny tany roa ireo.
Milaza ny hanao tatitra amin’ny governemantany izy ireo rehefa tafaverina any Malezia, ary handresy lahatra ireo mpampiasa Maley vola ho avy aty. Izy rahateo moa mpandraharaha ary efa mpitarika ny vondron’ny mpandraharaha tany Malezia teo aloha. Na izany aza dia nanipika mazava ny Sekretera jeneralin’ny antoko UMNO, fa ilaina ny hisian’ny fitoniana politika eto, ny fahamarinan-toeran’ny governemanta ary koa ny fiarovana ny fampiasam-bola. Manantena izahay, hoy izy, fa vitanareo Malagasy ny mandamina ny olana misy ankehitriny. Maro rahateo ny fihaonana natrehin’izy ireo tamin’ny mpitondra fanjakana ankehitriny sy mpandraharaha, hatramin’ny alarobia 20 jolay teo nahatongavan’izy ireo teto niresahana indrindra ny hisian’izay fiaraha-miasa eo amin’ny tany roa tonta izay. Hizara traikefa sy fahaizamanaony amin’ny maha antoko matanjaka azy sy teo amin’ny fitondrana hatrany tany Malezia, tao anatin’izay 54 taona nahazoany ny fahaleovantena izay ity delegasiona avy amin’ny antoko UMNO tarihin’ny Sekretera jeneraliny ity mandritra ny zaikabe voalohan’ny Mamafisoa izay hotanterahina eto Antananarivo anio, etsy amin’ny Carlton. Ny Mamafisoa rahateo no antoko voalohany ananan’ny UMNO fifandraisana akaiky sy iarahany miasa eto Madagasikara.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.