Fiaraha-miasa

> Hanome 20 miliara Ariary ny Sinoa


  • Sabotsy 01 Martsa 2014

Nivoitra io fanampiana ara-bola 20 miliara Ariary io omaly nandritra ny dinik’asa notanterahina tao amin’ny minisiteran’ny raharahambahiny Anosy teo amin’ny governemanta malagasy nosolointenan’ny minisitra Manantsoa Victor sy ry zareo Sinoa notarihin’ny minisitra lefitra misahana ny raharaham-bahiny Zhang Ming izay mandalo eto Madagasikara ankehitriny.

Tsy nanakatom-baravarana na nanapaka fiaraha-miasa ny Sinoa fa teo hatrany na nandritra ny krizy ka ny hanamafy izay fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta izay no anisan’ny anton-dian’ity minisitra lefitra ity eto. Anisan’ny tetikasa iaraha-miasa amin-dry zareo Sinoa ny fanazavana amin’ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, ny fandefasana andiana mpitsabo miasa eny Mahitsy sy Vatomandry, andiany faha-20 ankehitriny ary koa ny fanomezana vatsim-pianarana miaramila miisa 55 ho an’ny taona 2012-2014. Hisandrahaka amin’ny sehatra maro anefa io fiaraha-miasa io araka ny fanazavan’ny minisitra lefitra Zhang Ming ary efa nifampiresahany tamin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina nandritra ny fihaonan’izy ireo ny alakamisy tolakandro teo izany. Fa nivoitra tamin’ity fihaonana ity ny Sinoa voalaza hatrany fa mpandray ny andramena avy aty Madagasikara. Araka ny fanazavan’ny minisitra Zhang Ming dia mampihatra ny lalàna sy fifanarahana iraisam-pirenena ny Sinoa ary miantso ireo teratany sinoa eto Madagasikara hanaja ny lalàna sy fitsipika ifampifehezana eto, mba tsy ho roboka amina hosoka.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT