Actualités

Fiarabe nandona Mazda Mpandeha iray miady amin’ny fahafatesana


  • Alakamisy 14 Aprily 2011


Noheverina ho maty mihitsy ny mpandeha iray tao amin’ilay fiara Mazda nodonin’ny fiarabe teny Avaratsena Amboanjobe omaly maraina tamin’ny 6 ora sy sasany. Fiara mpitatitra iray no teo alohan’ilay mazda mpitatitra olona avy any Sahanivotry Antsirabe hiakatra aty an-drenivohitra. Nijanona naka olona ilay fiara mpitatitra io teo Avaratsena. Andeha hisongona io ilay fiara Mazda no nipoitra nifofofofo avy aty an-drenivohitra ilay fiara kamiao be. Niezaka niala io kamiao be io indray ilay fiara Mazda ka nofaohin’ilay kamiao teo amin’ny valahiny. Potika ilay Mazda ary naratra avokoa ireo olona 14 tao anatiny ankoatra ny telo izay zazakely sy ny mpitaiza azy ary ramatobe iray. Hatramin’ny ora nanoratana omaly dia mpandeha iray lehilahy, nipetraka teo aloha tamin’ilay fiara Mazda, no mbola miady amin’ny fahafatesana. Ankoatra izay dia mbola namotika trano iray ihany koa ilay kamiao vao tafajanona.

 
Rakoto Maxime
 

Sary : Henjana ny fifandonana teny Avaratsena Amboanjobe omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT