Actualités

Fiara voatifitra teny Iavoloha Tsy hita izay anaovana ilay mpamily


  • Alarobia 03 Aogositra 2011


 Hatramin’ny omaly hariva be dia mbola voatana eny amin’ny borigadin’ny zandary eny Andoharanofotsy ny mpamily ilay zotra F notifirin’ny mpiambina ny filohan’ny FAT teny Fiadanamanga ny alatsinainy. Araka ny loharanom-baovao dia tsy hita izay hanaovana ity mpamily ity. Miandry ny baiko avy any ambony ireo zandary. Raha ny tena marina mantsy dia tsy nanelingelina ny fifamoivoizan’ny fiara nitondra ny filohan’ny FAT mihitsy ity zotra ity. Mbola lavitra ilay kortezy no nikisaka ilay fiara. Ankoatra ny fitanana azy eny amin’ny zandary dia fantatra fa marary ihany koa ilay mpamily noho ny vono nataon’ireo mpiambina ny filohan’ny FAT azy. Tsy fantatra marina izay tena anton’ity tifitra ity. Tsy dia fanao loatra mantsy ny mitifitra tahaka izao, amin’izay fitateram-bahoaka, raha misy ny fanelingelenana fa sazy no ampiharina amin’ilay mpamily. Ny zava-nisy teny Fiadanamanga dia mbola lavitra ilay kortezy nefa dia tifitra variraraka no nataon’ireo miaramila GP.

 

Mohamed

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT