Actualités

Fiara nirehitra teny Andohatapenaka Naneho ny alahelon’izy ireo ny mpanamory “Golf”


  • Alatsinainy 08 Aogositra 2022

Fiarakely iray marika golf no nirehitra tampoka, ary may kila forehitra tetsy amin’ny Toby mpaninjara solika Total etsy Andohatapenaka ny sabotsy teo. Akoson’aratra na “court circuit”

tampoka tao amin’ny maotera no voalaza fa antony, ka nampirehitra avy hatrany ilay fiara. Raha ny fitantarana, vao nanomboka nirehitra ilay fiara teo amin’ilay toby mpaninjara solika, dia nasain’ny “pompiste” mpiasan’ny Total nakisaka, izay lojika satria ahiana ny hiitaran’ny loza, ary tobin-tsolika izay mora mirehitra rahateo ny eo. “Navelany zareo nirehitra teo io fiara io. Rano kely fanondrahana zaridaina no mody navoaka fa hoe: tsy azo ampiasaina hono ny “extincteur”-n’ny total fa bedin’ny patron ry zareo... Efa niakatra tanteraka ny afo vo niantso ny patron…, antso avy any amin’ilay patron no nanaiky oe avohay ny “extincteur “vao navoaka, izay vao maty ny afo, efa potika ny fananan”olona. Efa maty koa ny afo tonga ry pompier”, hoy ny fanamarihana. “Dia fananan’olona sy ain’olona ve no vonjena dia nojereny mpiasany total fotsiny sady nampiana oe akisaho any io sody may aty aminay aty... Tsy mba nampalaelo anareo ve nijery azy 5 mianaka kely tsy nahavita na inona na inona tsony?? Misaotra ny Total fa raha mba nanampy ianareo tsy may ny fananan’olona... “Docteur après la mort” ny anareo! Efa potika ny fananany izao…”, hoy ny fitantara sy ny fanehoan-kevitr’ i A.R. mikasika ity tranga ity.

Naneho firaisankina tamin’ilay fianakaviana tra-doza ka may fiara ny sabotsy te omaly alahady ny fikambanan’ireo mpanamory fiara Golf.Tamin’ny alalan’ny fampanenoana kipantsona niodinkodina nanodidina ilay toby fivarotan-tsolika tetsy Andohatapenaka no nanehoan’izy ireo izany.Mampalahelo ilay tsy fanampiana ny olona hita fa efa tra-pahasahiranana kanefa ny fitaovana eo am-pelatananao, hoy izy ireo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT