Actualités

Fiara mpanara-dia ny Filoha tra-doza Ankizy 5, vehivavy 1 ary miaramila 4 naratra


  • Alatsinainy 18 Oktobra 2021

Fiara mifono vy an’ny tafika nanaraka ny filoham-pirenena na “cortège présidentiel” no tra-doza teny Ambatobe omaly alahady 17 oktobra hariva. Olona 10 no naratra naratra,

 ka miaramila avy tamin'ilay fiara ny 4, sivily ny 6 ka ny 5 tamin’ireo ankizy. Anisan'ny naratra mafy tamin'izany ny ankizy iray 13 taona, izay tsy maintsy ampandalovina “scanner”. Ankizy saika hiampita tampoka nanoloana ity fiara ity no voalaza fa nahatonga ny mpamily nanitsaka hisatra ka niteraka ny loza. Nivadika, ambony ambany teo amin'ny lalana ilay fiara. Tsy nisy kosa ny aina nafoy araka ny feo miely, hoy ny tatitry ny Fiadidian'ny Repoblika omaly hariva. Nambara fa tsy nisy olona voahitsaky ny fiara ihany koa fa ireo miaramila nitsambikina niala ny fiara hivadika no nahavoadoana ireo ankizy ireo. Somary niteraka adihevitra moa io fanazavana io ary maro no somary nanakiana hoe: sao mba fanamaivanana resaka toy ilay tifi-danitra nahavoa fe tamin’ny raharaha fitifirana mpianatra tany Toamasina? Maro no tsy dia nino loatra an’izay. Araka ny fampitam-baovao ofisialy, nihevitra ilay ankizy fa nifarana ny “cortège” ka niampita tampoka teo alohan’ilay Fiara "fermeture" na namarana izany izy. Taitra tampoka nahita ilay tranga ny mpamilin’ilay fiara nanitsaka “frein” dia nivadika ilay fiara. Ankizy iray amin’ireo 5 ihany kosa no sokajiana ho maratra mafy ary efa nahazo fitsaboana eny anivon’ny HOMI (Hopitaly Miaramila) eny Soavinandriana, raha ny tatitra. Nilaza ny mpitsabo eo anivon’ny Hopitaly fa tsy misy ahiana kosa ireo taova saro-pady amin’ny ain’ilay zaza. Efa nisy tamin’ny marary hafa no nalefa nody rehefa nahazo fitsaboana, hoy hatrany ny Fiadidian’ny Repoblika. Ny 5 kosa dia tsy maintsy anaovana fanaraha-maso ka efa nahazo “chambre” ao amin'ny HOMI. Nisy anakiroa ihany koa ny efa nalefa natao “scanner” dia ilay vehivavy lehibe izay mitaraina maharary any amin'ny lamosiny sy ilay akizy iray voadona teo amin'ny lohany. Tonga nijery sy nitondra fanampiana hoan'ireo maratra ny Talen’ny Kabinetra sy ny Tale misahana ny Filaminana eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika. Ireto ny lisitr’ireo naratra ho an’ny sivily: Razafidratavy Nomenjanahary Onisoa 14 taona, Ramangason Ny Kanto 4 taona sy tapany, Nomenjanahary Sandrina 2 taona sy tapany, Vonjiniaina Nomenjanahary Teddy Brayan 4 taona, Raharimalala Tsioharana 8 taona, Razafindravelo Christine 24 taona. Ireto kosa ireo miaramila: Ilaifelson 46 taona, Rakotonianina Durlin 30 taona, Beratre Jean Brice 30 taona, Rakotoarinoro Jean Branco izay tsy mbola fantatra ny taonany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

Hijery ny tohiny
FTT