Actualités

Fiara «conduite ŕ droite» Havela hifamoivoy ireo efa nahazo laharana


  • Alakamisy 09 Jona 2016

Efa mandalo eny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza amin’izao fotoana izao ny volavolan-dalŕna mifehy ny fifamoivoizana, hoy ny solombavambahoakan’i Madagasikara Rabenirina Maminiaina Solondraibe.



 Nibahan-toerana tamin’ny adihevitry ny vaomiera maharitra misahana ny tontolon’ny fitaterana sy ny fifamoivoizana eo anivon’ity andrimpanjakana mpanao lalàna ity ny mikasika manokana ireo fiara familiana an-kavanana. Avela hivezivezy malalaka ireo fiara familiana an-kavanana efa nahazo laharana teny amin’ny ivontoerana mpanome izany, araka ny tapaka sy nifanarahana tao anatin’ny kaomisionina. Tsy azo ekena intsony kosa ny fampidirana na fanomezana laharana vaovao ho an’ireo fiara «conduite droite»  aorian’ny fivoahan’ny lalàna manankery eto amin’ny firenena. Voalaza ao anatin’io fanavaozana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana eto Madagasikara io ihany koa ny fampandraisana andraikitra ireo sokajin’olona samihafa toy ny mpamily, ny tompon’ny fiarakodia, ny mpanofa fiara, eny hatramin’ny orinasa tsy miankina na ny fanjakana koa aza. Tanjona ny hanana fomba fijery lavitra, araka ny fanampim-panazavan’ny depioten’Ambohidratrimo. Andrasana moa ny fandanian’ny fivoriambe ity volavolan-dalàna ity.


Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT