Fiara 4x4

> Efa misy 194 vonona homena ireo depiote ?


  • Sabotsy 15 Martsa 2014


Raha voasakana nandritra ny fitondrana tetezamita ny famoahana ireo fiara 4x4 an’i Camille Vital teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina, izay saika nampiasainy nanaovana fampielezan-kevitra nandritra ny fihodinana voalohan’ny fifidianana filoham-pirenena dia manomboka tafavoaka ireo fiara ireo ankehitriny. Tafavoaka ny alakamisy alina ireo fiara niisa 74 na nisy ny olana ara-taratasy noho ny tsy fisian’ny “Bon de Sortie” tamin’ireo fiara. Nisy rahateo ny teny midina avy any “ambony” namoahana azy. Nivoaka omaly faran’ny folakandro kosa ny fiara niisa 120, izany hoe mitotaly 194 ireo fiara efa tafavoaka tamin’ireo 350 nihitsoka tao amin’ny seranan’i Toamasina. Araka ny loharanom-baovao dia homena ny solombavambahoaka ireto fiara 4x4 ampahany voalohany nivoaka ny seranana ireto. Ankoatra izany, dia re izao fa efa mampiaka-peo mitaky ny anjarany ihany koa ireo mpitandro ny filaminana, araka ny fampanantenan’ny tompony hatrany am-boalohany, fa omena azy ireo ireto fiara aorian’ny fampielezan-kevitra entina hamerenana ny filaminana sy ny fandriampahalemana manerana an’i Madagasikara.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT