Actualités

Fiantsonana zotra manara-penitra etsy Ambohijatovo Lasa toeram-pivoahana (gabone) tsy an-doavam-bola aorianany


  • Alarobia 30 Mey 2012

Nataon’ny tanànan’Antananarivo ho anisan’ny toeram-piantsonana zotra manara-penitra ary vita voalohany indrindra ny etsy Ambohijatovo ampitan’ny tsangambaton’ny Mahery fo 47.

 Mbola nasiana fanitsiana manokana ilay izy rehefa hita sy tsapa fa tsy naharo ny olona tamin’ny orana nikija akory ka dia notakonana ny avy ao aorianan’ny fipetrahan’ny mpiandry zotra. Nifandrindran-dalana amin’izay anefa rehefa takotakona ny tao afara tao dia nanjary nataon’ny olona toeram-pivoahana fanariana ny tsy zakany tsy andoavam-bola ilay izy. Mihivingivin-doha izay mandalo amin’ity toerana ity fa mafaraka izay tsy izy ny fofona diky sy pipy mivoaka avy ao. Fa misy ihany aloha ny miaritra ny mafy eo ireo miandry zotra fa sady tsy te-ho lena no mba te-haka halokaloka ihany koa. Mba misy mpamafa lalana matihanina sy mpanadio mikarama isam-bolana ihany ve ao amin’ny Kaominina tompo-marika amin’ireny toerana ireny ? hoy ny fanontanian’ny vahoaka mpandoa hetra mampiasa tsy tapaka ny toerana.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT