Hiseho sehatra amin’izay manomboka izao ny fikambanan’ny mpikatroka Twirling bâton eto Madagasikara, tarihin’ny filoham-boninahiny Randrianomanana Yolande.
Handefa mpianatra hifaninana any am-pitandranomasina izy ireo atsy ho atsy taorian’ny fiofanana natrehin’ireo mpianatra nandritra ny fotoana maro. Mialoha izany anefa dia nanatanteraka fifaninanana teny Ankorondrano izy ireo ny sabotsy teo. Ankizy am-polony no nandray anjara avy amin’ireo fikambanana dimy amin’ny valo mandrafitra ny fikambanana izay misy ankizy 200 eo ho eo. Tanjona ny hahafahana mitily ireo ankizy havanana amin’ity karazana dihy ara-panatanjahantena ity, raha araka ny fanazavana azo hahafahan’izy ireo miakatra amin’ny sehatra ambonimbony kokoa. Toraka izany koa ny fampahafantarana ny rehetra sy ny fitsipika mifehy ny lalao sy ny mahakasika izany manokana. Hatreto dia ny ankizivavy kely no maro an’isa amin’ireo mpikambana, raha tsy misy kosa ny fepetra hahafahana miditra fa voaray daholo. Taona faha-11 no zandriny indrindra raha efa mpianatry ny anjerimanontolo no zokiny indrindra. Tsiahivina moa fa ny taona 2006 no niorina voalohany teto amintsika ny fikambanana. Karazana fanatanjahantena miaro dihy ny twirling bâton na gymnastique rythmique et sportive fanetseham-batana fahafahan’ny ankizy sy ny tanora mankafy ny mandihy sady mialavoly ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.