Fandre matetika nandritra ny krizy teto Madagasikara, izay tsy mbola nifarana tanteraka ny fitiavan-tanindrazana, tombontsoa iombonana, fiandrianam-pirenena. Toa lasa resaka sy kabary fotsiny anefa izany satria na ny miteny azy na ny olona mihaino dia tsy tena mahafantatra ny dikan’ireo teny ireo.
Tsikaritra matetika fa natao haingon-kabary hambaboana na hanairana ny olona fotsiny ity hoe fiandrianam-pirenena sy fitiavan-tanindrazana ity, ary indraindray aza dia mamahan-dalitra tsotra izao mihitsy ny mpanao politika sasany. Ka miteniteny foana na tsy mahafehy tsara akory izay zavatra aloaky ny vavany. Ekena mihitsy fa saropady izany fiandrianam-pirenena izany ary tsy vanim-potoanan’ny fanjanahantany intsony izao, firenena mahaleotena i Madagasikara nanomboka tamin’ny 1960 rehefa avy nozanahan’i Frantsa nandritra ny 96 taona, mpikambana feno ao amin’ny Firenena Mikambana, manana ny sainam-pireneny, ny hiram-pireneny, ny teniny, ny fombany. Ny olana anefa dia efa tena tafiditra lalina amin’ny fiainantsika eto ny vahiny sy ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny ankapobeny. Tsy am-pihambahambana ny itenenana fa tsy afa-miala amin’ny vahiny isika, raha amin’izao fahantrana ara-tsaina, ara-bola manjo antsika izao. Tena nofinofy noho izany ny filazana fa hanao fanorenana vaovao, hanao revolisiona i Madagasikara. Efa tena tara lamasinina araka ny fomba fiteny isika satria tany amin’ny taona 1990 na 2000 no tokony ho nanaovana izany. Efa tena hafa be ny zava-misy manerantany ankehitriny. Ny azo atao dia ny mametraka fomba fiaraha-miasa amin’ny vahiny sy ireo fikambanana iraisam-pirenena ka hahazoantsika tombontsoa hanatsarana ny fiainantsika… Tsy azo lavina fa nisy tanan’ny iraisam-pirenena tamin’ny fandrodanana ny fitondrana Ravalomanana. Niditra lalina tamin’ny famahana ny krizy ny sehatra iraisam-pirenena, ary nanana ny teny ambarany momba izay ho filoham-pirenena. Efa nandrangaranga ny masontsivana ho amin’ny fisafidianana ny praiminisitra ihany koa ny vahiny, io no tena manahiran-tsaina an’i Hery Rajaonarimampianina ary manaitaitra ny ankolafy Rajoelina. Aoka hazava ny resaka : tsy fifidianana no natao teto fa fampandaniana olona iray. Tsy nahatohatra an’ilay izy aloha isika Malagasy dia io izy io. Anjaran’ilay filoha kosa no manaporofo fa sady hainy ny miresaka amin’ny vahiny no vitany koa ny manatsara ny fiainan’ny Malagasy, izay no politika tokony ampiharina eto fa tsy ho diso lalana any amin’ny foto-kevitra mampanonofinofy fotsiny sy ny fandikana vilana ny hoe fiandrianam-pirenena sy fitiavan-tanindrazana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.