Zazavavy kely iray vao 11 taona monja no naolana tovolahy miisa 3 nandritra ny
fiaretan-tory fahoriana tao Marofinaritra kaominina Matsohely distrikan’ Andapa, ny marainan'ny 07 desambra teo. Roa tamin'ireo mpanolana no voasambotry ny fokonolona raha tafaporitsaka ny iray. Mbola tafaporitsaka teny an-dalana koa anefa ny iray tamin’ireo efa tratra nandritra ny fitondrasan'ireo quartiers mobiles azy ireo hihazo ny Tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Andapa.Efa manaraka fitsaboana sahaza azy moa i Juliana ankehitriny ao amin'ny "Centre hospitalier de référence" ao Andapa.Sorena sy nalahelo mafy tamin’izao tranga izao moa ny OMC” ka nilaza fa tsy maintsy hatao izay hahasamborana ireo nahavanon-doza 2 mbola tafatsoaka. Ankoatra izay dia efa mandeha ihany koa isan’andro ny fanentanana ny amin’ny tokony hiarovan’ny tsirairay ny tenany sy ny zanany manoloana ny firongatry ny fanolanana tato ho ato.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.