Actualités

Fianarantsoa Hiatrika fitsarana amin’ny 22 aprily ilay mpanolan-jaza


  • Alatsinainy 04 Aprily 2022

Hohenoina ampihibemaso ao amin’ny Fitsarana ao Fianarantsoa amin'ny 22 aprily ho avy izao ilay rangahy 38 taona nanolana zazavavy kely tsy ampy taona roa izay samy mianatra ao amin’ny EPP Mahazengy Fianarantsoa.

 12 taona ilay zokiny izay antsoina hoe : Nadia raha vao 4 taona sy tapany kosa ilay zandriny. Nordina no anaran’ity farany ary fantatra fa nivoaka avy tamina fianakaviana sahirana izy ireo. Ny nampalahelo dia nohararaotin’io lehilahy io izy mirahavavy kely nandritra ny fotoana nandehanan’ireo Ray aman-dReniny nivarotra ka ilay rahavavin-dReniny no nanara-maso azy. Tao anatin’ny herinandro monja no nitrangan’izany ka ilay zokiny naolany tao aloha sy taoriana. Niezaka nanafina izany ilay zokiny noho ny tahony an-dReniny. Ilay zandriny 4 taona kosa anefa isaky ny mipipy dia mahatsiaro mangirifiry hatrany no sady nisy fofona nivoaka ka tsy maintsy nosavain-dReniny . Teo vao gaga ity farany fa simba tanteraka izy mirahavavy kely. Niakatra fitsarana tamin’ny Alakamisy 31 Martsa lasa teo ny raharaha ka efa nampidirina am-ponja vonjimaika ilay lehilahy nahavanon-doza. Na izany aza dia matahotra mafy ny Ray aman-dRenin’izy mirahavavy kely ireto. Sady mandrahona milaza fa mahalala olona ambony hono mantsy ny fianakavian’ity lehilahy mpanolana ity no mbola manao vava tsy ambina ihany koa. Miantso ny fanjakana mba hijery akaiky ity raharaha ity izy ireo.
Pati
Legende : Ireto ilay zaza voaolana (sary nindramina)

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT