Fianarana any ivelany

> Maurice no tena mahaliana ny mpianatra Malagasy


  • Alakamisy 06 Martsa 2014

Nisokatra omaly etsy amin’ny Carlton Anosy ary hitohy anio ny “Salon des études Internationales”, karakarain’ny Madajeune. Andiany fahadimy izy ity, ahitana mpandray anjara manodidina ny 18 isa.

Ankoatra ny fampahafantarana ireo mpianatra ny antontan-taratasy tokony homaniny sy ny momba ilay sekoly raha maniry ny hianatra any ivelany izy dia misy ihany koa ny kaonferansa izay tanterahina mandritra ny roa andro. Tanjona raha araka ny fanazavan’Andriamahatsangy Lahatra, mpikarakara ny hanomezana ny ankizy mpianatra ireo toeram-pampianarana ambony any ivelany toy ny any Maurice, ny atsy La Réunion, Inde ary Etazonia. Hatreto aloha dia mbola i Maurice no tena mahaliana ny mpianatra Malagasy indrindra. Anisan’ny fivoahana vaovao kosa ny mankany Turquie izay notsindrian’Andriamahatsangy Lahatra fa ahitana oniversite manodidina ny 500 be izao. Tsara ny manamarika fa misy ihany koa ny fanoroana hevitra ireo ankizy mitady vatsim-pianarana maniry ny hianatra any ivelany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT