Actualités

Fianakavian’ny filohan’ny FAT Manangana orinasa any Frantsa


  • Alakamisy 04 Aogositra 2011

Anisan’ny nanenjehan’ny Ben’ny tanŕnan’Antananarivo tamin’ny fotoan’androny ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny hoe manangon-karena ny tenany sy ny ankohonany ary ny fianakaviany.

 Tsy teto an-tanindrazana fa hatrany ivelany, raha tsiahivina ka dia nenjehin-dRajoelina mafy ery Ravalomanana ary dia niaraha-nahalala fa dia niafara tamin’ny fanonganana ity farany ity teo amin’ny fitondrana mihitsy izany. Tsy dia mifanalavitra amin’izay fanenjehana an-dRavalomanana izay anefa no iainana ankehitriny. Nanomboka ny 16 jona lasa teo manko dia nanomboka nihodina ny orinasan’ny fianakavian’ny filohan’ny FAT any Frantsa, araka ny hita amin’ny tranokala Bodacc.fr (Bulletin officiel des annonces civiles et commerciales), maneho mangarahara amin’ny fananganana orinasa any Frantsa any. Orinasa atao hoe : IMORONI voasokajy ho Société civile immobilière à capital variable ilay natsangana, miorina any Courbevoie, Kaominina iray ao amin’ny departemantan’i Hauts-de-Seine amin’ny ilany andrefan’i Parisy Frantsa ary tantanan-dRazakandisa Rodolphe, mpiara-miombon’antoka aminy Ramarofidy Nicole sy ny Dole-Impex. Telo arivo euros ny renivola miasa. Fividianana trano sy ny fitantanana azy ireo no sahanin’ilay orinasa. Araka ny vaovao moa dia na olona mizaka ny zom-pirenena frantsay na monina any Frantsa vao afaka manorina SCI.

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT