Actualités

Fiakaran’ny vidin-tsolika Hiteraka fipoahana ara-tsosialy


  • Alakamisy 28 Jolay 2016

Akora fototra mibaiko ny fidangan’ny vidim-piainana ny solika. Niakatra hatrany anefa io vidim-piainana io teto Madagasikara hatramin’ny fisondrotry ny vidin-tsolika, hoy ny profesora Ralison Roger.

  Ankoatra ny faharatsian’ny lalana dia olana hatrany ny fahalafosan’ny saram-pitateram-bokatra eto amintsika izay miankina betsaka amin’ny vidin’ny gazoala. Mahagaga sy mahavariana rahateo ny kisarisarin’ny vidin-tsolika eto amin’ny firenentsika tao anatin’ny 10 taona, hoy ity mpahay toekarena ity. Lafo lavitra mihoatra amin’ny ankehitriny mantsy ny iray barila izay nanodidina ny 140 dolara ary namidy 3.000 ariary tamin’ny mpanjifa Malagasy ny litatry ny lasantsy tamin’izany. Efa milatsaka ambany be hatrany amin’ny 40 dolara indray ny barila nefa mbola maherin’ny 3.000 ariary ihany no mbola hamarotan’ny mpaninjara azy. Manana andraikitra feno amin’ny fanazavana ny zava-misy marina ny fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny minisitera mpiahy. Ahiana ny fipoahana ara-tsosialy hateraky ny fidangan’ny vidim-piainana vokatry ny vidin-tsolika lafo, araka ny fanampim-panazavany.

Nangonin-dRamano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT