115 dolara ankehitriny ny vidin’ny barila amin’ny solika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Manoloana izay dia nanambara ny minisitry ny angovo, Marcel Bernard fa tsy ho tana intsony ny hiakaran’ny vidiny eny amin’ny tobim-pamatsiana.
Efa betsaka loatra mantsy ny elanelana misy eo amin’ny tena sandany sy ny vidiny eny amin’ny tsena fivarotana solika satria efa mihoatra ny 500 Ariary. Ahiana mbola hisondrotra hatrany amin’ny 125 na 150 dolara ny vidin’ity vokatra ilaina amin’ny seha-pitaterana mandra-pahatongan’ny volana desambra 2013, hoy ihany ny minisitra mpiahy. Nampahatsiahy ny minisitra Marcel Bernard fa efa nitsipaka hatrany ny fidiran’ny fanjakana Malagasy amin’ny tontolon’ny tsenan’ny solika ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy mpamatsy vola tahaka ny Banky Iraisam-pirenena sy Tahirimbola Iraisam-pirenena.Vahaolana vonjimaika azo aroso, araka ity tompon’andraiki-panjakana ambony ity, ny fampiharana ny vidiny mifanaraka amin’ny tsena iraisam-pirenena. Hitombo eo amin’ny 70 na 80 Ariary isaky ny litatra izany raha ny vinavina. Ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana, Robimanana Orlando dia efa nilaza rahateo ity fanitsiana ny tena vidin’ny solika eto Madagasikara ity mba hampihenana ny vola fanampiana mivoaka amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Fantatra moa fa hisy ny fikaonan-doha tsy ho ela eo amin’ny filohan’ny Tetezamita, ny minisitry ny vola sy ny teti-bola ary ireo orinasa mpanafatra solika eto an-toerana momba ity vokatra fototry ny fiakaran’ny vidin’entana eto amintsika ity ka dia miandry vahaolana mba tsy hampitombo indray fahasahiranana ho an’ny sarambabem-bahoaka izany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.