Actualités

Fiakaran’ny vidim-piainana andro aman’alina Misitri-belona ireo minisitra tompon’andraikitra


  • Talata 12 Jolay 2016

Tsy hay na mody tsy mahita na tena tsy mahita ny fahasahiranam-bahoaka ny mpitondra ankehitriny. Hisondrotra 500 Ar ny saran-dŕlana, hiakatra 9% hatramin’ny 15% ny vidin-jiro, efa mahatratra hatrany amin’ny 35 000 Ar ny vidin’ny harina fandrehitra.

Tsy misy na dia iray aza anefa tompon’andraiki-panjakana, toy ny minisitra, sahy mijoro sy maneho hevitra manoloana izao fahoriam-bahoaka izao. Aiza ny Minisitry ny angovo amin’ity jiro tapaka isan’andro ity kanefa ny sarany hiakatra? Mankaiza marina ny fanampiana omen’ny fanjakana ho fampihodinana io orinasa io ary tsy hahafahana mihazona ny vidin-jiro tsy hihetsika ve izany na hampidinana azy mihitsy aza? Aiza ny Minisitra ny mponina, miandraikitra voalohany ny resaka ny sosialim-bahoaka ary isan’ny nitondra kihana mivaivay fahiny kanefa nangina tsy re feo intsony. Izao  anefa no fotoana tokony hitenenenany raha tena olona mitsinjo vahoaka marina izy. Mampametra-panontaniana ny zava-misy hoe: Inona no ilàna mpitondra eto Madagasikara?  Andraikitra voalohany nametrahana azy ireny mantsy ny fijerena ny fiainana ara-tsosialy kanefa tsy misy na dia iray aza mijoro ho tompon’andraikitra. Mbola manamafy ny tsy fahaiza-mitantan’izao fitondran-dRajaonarimampianina izao ny zava-misy ankehitriny. Efa didin’ny be sandry sy ny manam-bola no manjaka ary miha-mahazo vahana hatrany gaboraraka eto amin’ny firenena. Raha haintsika ny mitantana ny harem-pirenena izay ananantsika betsaka dia inoana tsy ho toy izao ny fiainan’ny Malagasy. Ny mampalahelo anefa dia olom-bitsy no manararao-paty sy manao izay danin’ny kibony amin’ny fangalarana ny harem-pirenena.  Ny tena maharomotra ny vahoaka ihany koa dia ny fandanindaniam-poana ny volam-bahoaka, toy ny fivoriana tsy misy tombontsoa ho an’ny maro an’isa andaniana vola amina miliara maro ao anatin’ny fotoana fohy. Any amin’ny firenen-kafa dia henatra ho an’ny mpitondra ny manana vahoaka mahantra fa ny eto amintsika dia tonga amin’ilay fomba fiteny hoe: henoy izany ry hazon-damosiko.


                                                                                                                      Toky  R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT