Tena sarotra ny fiainana. Tsy misy izay tsy manaiky izany ny rehetra, indrindra hatramin’ny niakaran’ny vidin-tsolika teto amintsika ka nampidangana ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro.
Tsy vitsy ireo lasa miteny irery noho izany indrindra fa eo amin’ny resaka fitantanam-bola. Raha mba nahavita 20 andro ihany mantsy ny karama iray volana noraisina teo aloha dia tsy mahatratra 15 andro intsony izany amin’izao dia vita na dia efa mihafy fatratra aza. Vokatry ny fiakaran’ny vidin’entana avokoa no mahatonga izany fa tsy sanatria tsy fahaiza-mitantana akory. Hitany avokoa ny 100 Ar sy ny 200 Ar misondrotra amin’ny vidim-bary, ny savony sy ny menaka na dia heverina ho kely aza izany indraindray. Manginy fotsiny ny vidin-jiron’ny JIRAMA sy ny hofantranon’olona ary ny saram-pianaran’ny mpianatra. Anisan’ny antony mampitombo isa ireo adala eto an-drenivohitra ireo antony ireo raha araka ny fanadihadiana natao ankoatra ny resa-pitiavana. Tsy lahy tsy vavy fa saika lasibatra avokoa, indrindra fa ho an’ireo lehilahy somary mandray sy manjifa zava-mahadomelina. Ho ana Renim-pianakaviana iray monina teny Atsimondrano teny ohatra dia vokatry ny fijereny lela-vola 20.000 Ar no tsy nampiverina intsony ny sainy. Teny naverimberiny ny hoe : sarotra ny fiainana, sarotra ny fiainana. Tsy nety nijanona tao an-trano intsony ity farany taorian’izany fa mandeha mivoaka ny trano isan’andro ary manazava ny tantaran’io lela-vola 20.000 Ar sy ny zavatra azony no hataony. Misy fotoana moa tena mahavita mamono sy mandratra ireo olona mifanehitra aminy mihitsy ity Renim-pianakaviana iray ity, indrindra fa ny figafiana ireo fiara na olona mifanena aminy. Mila mitandrina ihany ny rehetra araka izany na dia eo aza ny hasarotan’ny fiainana. Ankoatra ny famalifaliana ny saina dia anisan’ny tena zava-dehibe ny fiankinana amin’Andriamanitra.
Pati
Legende : Misy amin’ireo adala eto an-drenivohitra no mamono mahafaty mihitsy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.